Fiarovana ny ala
Fizaràna fatana mitsitsy teto Taolagnaro
✅ Tontosa ny 12 Avrily 2025 ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny  »Tetikasa Magnasoa » izay mikendry amin’ny fanovana lehibe eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny fomba fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio.
✳️ Hanampy betsaka amin’ny fisorohana ny fiovaovan’ny toetry ny andro ary ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fandripahana ny ala ity tetikasa ity.
▶️ Fatana mitsitsy (foyers améliorés) miisa 960 no natolotra androany ho an’ny tokantrano 960 teto amin’ny Kaominina Soanerana, Taolagnaro. Tanjona ny hizaràna fatana miisa 120.000 eto amin’ny Faritra Anosy (Distrikan’ny Tolagnaro, Amboasary Atsimo, Betroka). Misy karazany roa ny fatana nozaraina, ka misy ny mampiasa kitay, ary misy ny mampiasa arina fandrehitra (saribao). Mampihena hatramin’ny 70% ny fandaniana hazo hanaovana kitay na arina, ary manena hatramin’ny 80% ny entona CO2 anaty tontolo iainana.
🤝🏼 Fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) miaraka amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandroasoana lovainjafy (#MEDD), ary ireo mpiara-miombon’antoka, dia ny « MadAvance » sy ny « SaniTap » no entina manatanteraka izao tetikasa izao.
❇️ Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana Lovainjafy, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto amin’ny Distrikan’i Taolagnaro, ny Governoran’ny Faritra Anôsy, ny Lehiben’ny Prefektioran’i Taolagnaro, ireo Ben’ny tanàna, ary ny Talen’ny ONG #MadAvance sy ny CEO sady mpanorina ny #SaniTap.
💡 Taorian’ny fizaràna ireo fatana mitsitsy, dia nitsidika ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny rivotra (parc éolien) apetraky ny orinasa CBE izay miara-miasa amin’ny QMM Rio Tinto, ny Delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo. Efa misy 4 amin’ireo 19 no mamokatra herinaratra, ary eritreretina ho vita amin’ny volana Jolay 2025 izy rehetra, ka 16 MW no ho vokarina eto.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *