Tetikasa hiarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena:
Fivoriana teny Anosy androany
✅ Notontosaina androany 29 Jolay 2024 teny amin’ny Birao Foiben’ny Banky Iraisam-pirenena etsy Anosy, ny fivoriana fampivondronana ireo solontena miandraikitra ny fandaharan’asa izay vatsiany vola eto Madagasikara. Fihaonana izay nahafahana nitondra drafitra fanatsarana sy fanomezana vahaolana ary soso-kevitra ho fanatanterahana an’ireo fandaharan’asa sy tetikasa rehetra.
💡Ho an’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo dia ny tetikasa DECIM sy LEAD no hiarahana miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Tafiditra ao ny fampisitrahana herinaratra ireo CSB miisa 453 any amin’ny tontolo ambanivohitra, ny tetikasa fanomezana « kits solaires » miisa 440.000, sy fametrahana jiro miisa 15.000 hanazava ny lalambe, ary ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro miisa 32 manerana an’i Madagasikara .
✳️ Anisan’ny tonga nanatrika ny fivoriana ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *