Tetikasa Hazavao ny elakelan-trano :
Mazava ny « Village Touristique » ao Mahajanga
Tontosa androany Sabotsy 20 Janoary 2024 ny fametahana jiro « cobra » manazava ny « Avenue Village Touristique » ao Mahajanga.
Nitarika izany ny Talen’ny Kabinetra eto amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH) Atoa Odon Marius RANDRIANAINA, notronin’i Rtoa PDS, niaraka tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny JIRAMA.
Izao dia tohin’ny asa efa natomboka teny amin’ny « Bord ». Tafiditra indrindra anatin’ny Tetikasa « Hazavao ny elakelan-trano ».