
Tanjona ny hampisitraka herinaratra ho an’ny 60% ny vahoaka Malagasy raha 30% izany ankehitriny. Naneho ny fahavononany tanteraka hanohana ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ny avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena (BM), izay hamatsy vola 400 tapitrisa dolara ny tetikasa DECIM. Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Faritra Androy sy Anosy, niarahan’ny solontenan’ny BM tamin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo (MEH), Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA.