Tetikasa « Branchement Mora » :
Velom-pisaorana Ihosy
« Jiro Mora, Malaky ». Tontosa androany 8 Aogositra 2023 teto Soanatao, Kaominina Ambonivohitra Ihosy ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fampisitrahana herinaratra amin’ny alalan’ny Tetikasa : « Branchement Mora ». Velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana ireo nifandimby nandray fitenenana, fa indrindra ireo mpanjifa vaovao. Araka ny fampitam-baovao azo dia, mavitrika ny vahoakan’ Ihosy izay maniry hisitraka hazavana. Tanteraka eto Ihosy, ny Velirano faha-2 an’Atoa Filoham-pirenena Malagasy : « Angovo ho an’ny daholobe ».
Nanome voninahitra ny fisantarana ofisialy, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy eto Ihosy, ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny Faritra, ny Prefektiora, ny Ben’ny Tanàna voafidy eto Ihosy, ireo Lehiben’ny Fokontany, fa indrindra ny vahoaka maniry ny hisitraka herinaratra amin’ny « Branchement Mora ».
Sary nomena