Tetikasa « Branchement Mora »
Natolotra ny andiany manaraka eto Fianarantsoa
Notanterahina androany 11 Septambra 2024, teto amin’ny Fokontany Idanda ,Distrika Fianarantsoa ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fametrahana ny kaontera andiany manaraka izay tafiditra anatin’ny tetikasa « Branchement Mora » . Ho an’ny Faritra Matsiatra Ambony dia manana anjara (quota) kaontera miisa 11.000, hapetraka amin’ireo tokantrano marefo nanao fangatahana sy nisoratra anarana tany amin’ny Fokontany .
Amin’izao andiany faharoa izao dia kaontera miisa 3.113 no anjaran’i Fianarantsoa ka ny 115 amin’izany no anjaran’ny Fokontany Idanda , izay an-dalam-pandrosoana ny fametrahana ireo Kaontera ankehitriny . Tanjona ny hametrahana kaontera 70 isan’andro , ka ao anatin’ny iray volana sy tapany no ezahina hanatrarana ny fametrahana ireto andiany manaraka ireto.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana nanamarihana ny fametrahana ireto Kaontera andiany manaraka ireto moa ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy Akoranafo ( DIEH) Fianarantsoa , ireo solontena avy amin’ny JIRAMA , ireo manam-pahefana isan-tsokajiny , ny lehiben’ny Fokontany ary ireo vahoaka maro .