Tetikasa amin’ny sehatry ny angovo
Fihaonana tamin’ny Delagasion’ny PNUD
Tontosa teto Ampandrianomby ny 12 Septambra 2024, ny fihaonana teo amin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, sy ny Delegasiona avy amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) notarihin’ny Solontena maharitra, Atoa Edward CHRISTOW. Lahadinika ny fifanakalozana momba ireo tetikasa iaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny angovo eto amintsika.
Naneho ny fanavononany hatrany ny PNUD, hanohana ireo ezaka fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny sehatra marolafy. Anisany ny sehatry ny angovo, ny fitantanana ny sehatry ny angovo, ny fanohanana ny politika fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio, izay laharam-pahamehana mifandraika amin’ny fanatontosana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ( PGE).
Fihaonana izay tafiditra ihany koa ao anaty fijerena ny fanatontosana ny « Document de Programme Pays » na CPD 2024-2028. Tsiahivina fa nisy vao haingana ny fakan-kevitra ho an’ny sehatra miankina amin’ny Fanjakana, sy ny sehatra tsy miankina. Tanjona ny fandrosoan’ireo tetikasa hitondra vokatra iraisana ho an’ny tombontsoan’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy.