Angovo azo havaozina – Tetikasa 50 MW
Fandraisana ireo fitaovana tonga ao Toamasina
⭐ Amin’ny volana Mey 2024 no hanomboka mian-dalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, ho fanatontosana ny Tetikasa 50 MW. Tanteraka androany 18 Avrily 2024 teto amin’ny Seranan-tsambon’i Toamasina, ny fandraisana ofisialy ireo andiany amin’ny fitaovana. Izany dia teo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA, notronin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Atoa NTSAY Christian, ary ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier sy Minisitra maromaro.
🌞 Faritra 18 sy Distrika 47, ary olona miisa 500.000 no hisitraka herinaratra amin’ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, izay hanana tanjaka 50 MW. Tanjon’ny Fitondram-panjakana ny fampandrosoana ny sosialy sy ny toe-karena eto Madagasikara. Eo koa ny fampiakarana ny taham-pisitrahana herinaratra sy hanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka, ary ny hanenana ny fandaniana solika ho an’ny orinasa JIRAMA.
✅ Ny Tetikasa 50 MW, dia famatsiam-bolan’ny Fitondrana Malagasy sy ny JIRAMA. Mitentina 286.000.000.000 Ar ny tetibola hanaovana azy. Hahafahantsika mitsitsy solika 19.000 hatramin’ny 20.000 m3 isan-taona, izany hoe manodidina ny 85 miliara Ar isan-taona. Entona ratsy (gaz à effet de serre) 52.000 t isan-taona ihany koa no voatsitsy tsy ho any anaty tontolo iainana. Mitotaly 75.690 no isan’ireo takela-masoandro (panneaux solaires). Miisa 163 ireo « containers » mitondra ireo fitaovana no efa tonga, raha 56 kosa ireo efa anaty sambo mihazo an’i Madagasikara, ankoatra an’ireo izay mbola hiala any amin’ny toerana nanafarana azy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *