Angovo azo avaozina:
🌞 Misitraka ny « Tetikasa 46 PS » Brickaville
✅ Brickaville indray no nidinana ifotony androany 10 Janoary 2024. Anisan’ireo misitraka ny Tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro (Parc Solaire na PS) eto an-toerana.
⏺️ Hamokatra 1MWc ny PS hatsangana.
Tsiahivina fa ny orinasa « HUAWEI » kalaza maneran-tany eo amin’ny sehatry ny herinaratra avy amin’ny masoandro, sy ny « LONGI » izay mpamokatra takela-masoandro (panneaux photovoltaïques) no mpiara-miombon’antoka.
➡️ Nijery ny toerana hametrahana ny fotodrafitrasa ny tompon’andraikitra eto amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH) niaraka tamin’ny teknisiana eo anivon’ny JIRAMA sy ireo manam-pahaizana vahiny androany.
▶️ Efa eny ambony sambo hihazo an’i Madagasikara ankehitriny ireo fitaovana hanatanterahana manontolo ny asa fananganana.
🇲🇬 Famatsiam-bolan’ny Fitondram-panjakana Malagasy no hanaovana ny « tetikasa 46 PS », ho tombontsoan’ny ny vahoaka, sy hanenana ny fandaniana amin’ny vidin-tsolika ary ho fiahiana ny tontolo iainana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *