Tetikasa 105 MW
Hisitraka ihany koa Toamasina
![❇️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tb1/1/16/2747.png)
Nandritra ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ireo takela-masoandro (panneaux solaires) tao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina androany 18 Avrily 2024 , dia nijery ireo milina (blocs moteurs) mitoby ao an-toerana ihany koa ny delegasiona notarihin’ny Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara Andry RAJOELINA .
![🔶](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t70/1/16/1f536.png)
Nanambara Andriamatoa Filoha, fa mitady vahaolana lalandava ho an’ny vahoaka ny Fitondram-panjakana, mba hampitomboana ny famokarana herinaratra. Izany indrindra no nanafarana ireto fitaovana ireto, izay hanampy ny tanjaka amin’ny famatsiana herinaratra ho an’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo sy ny Tambazotra Iraisan’i Toamasina.
![▶️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t40/1/16/25b6.png)
»Blocs moteurs » miisa 5 izay hanana tanjaka 75 MW no hanampy ny famokarana herinaratra ao Ambohimanambola Antananarivo, ary »blocs moteurs » miisa 2 izay hanana tanjaka 30 MW no natokana ho fanampiana ny famatsiana herinaratra eto Toamasina.