Tetikasa 105 MW Ambohimanambola
🚧 Tetezana 11 no hamafisina hitondrana ireo fitaovana
✳️ Tetezana miisa 11 amin’ireo 73 amin’ny Lalam-pirenena faha-2 no mila hamafisina. Izay no hahafahana mitatitra ireo milina sy fitaovana (blocs moteurs, alternateurs, transformateurs) miainga avy ao Toamasina hihazo an’Antananarivo, ho famitana ny Tetikasa 105 MW ao Ambohimanambola.
✅ Io no valin’ny fitsirihana sy fizahana ifotony nataon’ireo teknisiana ao amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy (MTP), Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH), LNTPB, MMI ary Trigu Energy. Anjaran’ny MTP no manao ny tetiandro hanatontosana ny asa fanamafisana ireo tetezana ireo.
▶️ Vao vita izay dia hakarina eto Antananarivo ireo milina sy fitaovana izay milanja aman-taonina maro.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *