
Tetezana miisa 11 amin’ireo 73 amin’ny Lalam-pirenena faha-2 no mila hamafisina. Izay no hahafahana mitatitra ireo milina sy fitaovana (blocs moteurs, alternateurs, transformateurs) miainga avy ao Toamasina hihazo an’Antananarivo, ho famitana ny Tetikasa 105 MW ao Ambohimanambola.