Angovo azo havaozina
💡TETIKASA VOLOBE AMONT
💦 💧 Fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha avy amin’ny rian-drano
▶️ Tanjaka : 121 MW
▶️ Famokarana isan-taona : 750 GWh
▶️ Toerana hananganana ny fotodrafitrasa : Kaominina ambanivohitr’i Ambodilazana, Distrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana
▶️ Famatsiana herinaratra: Olona eo amin’ny 2 tapitrisa, na tokantrano 360.000, no hahazo tombony amin’ny fahazoana herinaratra
▶️ Famoronana asa : eo anelanelan’ny 1.000 sy 1.500 asa mivantana sy ankolaka ho azo amin’ny alalan’ny tetikasa
🤝🏼 Mikasika ny fifanarahana :
✳️ Fanalavana ny fe-potoana hamaranana ny lafiny famatsiam-bola (bouclage financier) hatramin’ny 30 jona 2026
✴️ Fizàrana ny renivola ho toa izao :
– 37,5% an’ny NEA Volobe (mpikambana ao amin’ny vondrona Axian)
– 37,5% an’ny EDF Renouvelables International
– 25% an’ny Africa50
❇️ Fidiran’ny Fanjaka Malagasy amin’ny datin’ny famaranana ny fifanarahana ara-bola
➡️ Ny fandraisan’anjara :
* 20% ho an’ny Fonds Souverain Malagasy S.A.
* 30% ho an’ny NEA Volobe
* 30% ho an’ny EDF Renouvelables International
* 20% ho an’ny Africa50

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *