Angovo azo havaozina
Notokanana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eto Taolagnaro
✅️Tetikasa entina hampitomboina sy hanatsarana ny famatsiana herinaratra, ary fitsinjovana ny tontolo iainana, ny firosoana amin’ ny fampiasana angovo azo havaozina eto Madagasikara. Hilofosan’ny Fitondram-panjakana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina ireo tetikasa amin’ny angovo madio sy maharitra.
🔆 Nambaran’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA, fa himasoana ny fialana tsikelikely amin’ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika izay andaniana 1.200 Miliara Ariary isan-taona.
🟧 Notokanana androany Sabotsy 27 Avrily 2024 ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eto Ehoala ( Rio Tinto QMM) eto Taolagnaro. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fitondram-panjakana sy ny orinasa QMM Rio Tinto, ny JIRAMA ary ny PIC. Nomarihin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, fa manana tanjaka 8MW (14.600 ireo takela-masoandro) ity fotodrafitrasa ity, ary mbola hiampy 6MW izay efa an-dalam-pananganana.
➡️ Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rivotra (parc éolien) voalohany eto Madagasikara, izay hanana tanjaka 16MW. Hamokatra herinaratra mialoha ny faran’ny taona io. Miisa 80.000 ny tokantrano hisitraka hazavana eto Tolagnaro amin’ity tetikasa ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *