Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany :
Vonona ry zareo Soisa hanohana
✅ Mitovy ny tadin-dokanga. Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Soisa sy Madagasikara eo amin’ny sehatry ny angovo no lahadinika. Tontosa androany 15 Febroary 2024 teto Ampandrianomby ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny delegasiona notarihin’ny Masoivoho Soisa, Atoa Rolf STALDER tamin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier.
➡️ Dinika sy fifanakalozana eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny angovo no niompanan’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Vonona ny hanome tanana sy manohana ny fandaharan’asan’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo ry zareo Soisa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *