Soritr’asa laharam-pahamehana ao anatin’ny 100 andro eo amin’ny sehatry ny Angovo :
▪️ Fampihodinana ny tobim-pamokarana angovo (centrale thermique) hanana tanjaka 105MW ao Ambohimanambola,
▪️ Famatsiana herinaratra ny faritra Ambanivohitra
▪️ Fizarana ireo kojakoja hahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro (kits solaires) ho an’ireo tokantrano marefo
▪️ Fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (parcs solaires) miisa 47
▪️ Fametrahana « lampadaires solaires » amin’ireo andrin-jiro JIRAMA amin’ireo tanàna efa voafaritra mialoha
▪️ Tetikasa « Branchements Mora » izay kendrena ho tokantrano miisa 50.000 no hampidirina azy ao antin’ny 100 andro
▪️ Fananganana tobim-pamokarana herinaratra « hybrides » hahazoana angovo manana tanjaka 1MW ho an’i Sainte Marie, sy 1,5 MW ho an’i Mananara Avaratra
▪️ Fanoloana ireo andrin-jiro hazo efa lò ho « béton »
▪️ Asa fampidirana herinaratra amin’ireo toerana hanaovana tetikasa sosialy andrana « Miarina » sy « Fieferamanga »
▪️ Fampidirana fitaovana manome herinaratra azo avy amin’ny masoandro (Kits Solaires) amin’ireo tobim-pahasalamana CSB miparitaka manerana ny Nosy
⭐ Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notanterahina ny Alarobia 7 Febroary 2024 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *