Soritr’asa laharam-pahamehana ao anatin’ny 100 andro eo amin’ny sehatry ny Angovo :

Fampihodinana ny tobim-pamokarana angovo (centrale thermique) hanana tanjaka 105MW ao Ambohimanambola,

Famatsiana herinaratra ny faritra Ambanivohitra

Fizarana ireo kojakoja hahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro (kits solaires) ho an’ireo tokantrano marefo

Fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (parcs solaires) miisa 47

Fametrahana « lampadaires solaires » amin’ireo andrin-jiro JIRAMA amin’ireo tanàna efa voafaritra mialoha

Tetikasa « Branchements Mora » izay kendrena ho tokantrano miisa 50.000 no hampidirina azy ao antin’ny 100 andro

Fananganana tobim-pamokarana herinaratra « hybrides » hahazoana angovo manana tanjaka 1MW ho an’i Sainte Marie, sy 1,5 MW ho an’i Mananara Avaratra

Fanoloana ireo andrin-jiro hazo efa lò ho « béton »

Asa fampidirana herinaratra amin’ireo toerana hanaovana tetikasa sosialy andrana « Miarina » sy « Fieferamanga »

Fampidirana fitaovana manome herinaratra azo avy amin’ny masoandro (Kits Solaires) amin’ireo tobim-pahasalamana CSB miparitaka manerana ny Nosy

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notanterahina ny Alarobia 7 Febroary 2024 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo.