Solika
Manaraka ny fenitra ISO 9001 sy 45001 ny LPSA
Tontosa teto amin’ny Hôtel Ibis Ankorondrano, ny 20 Septambra 2024, ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fanamarinam-panarahana ny fenitra « ISO 9001 :2015 » (Management de la qualité) « , sy ny « ISO 45001 :2018 » « (Management de la Santé et de la Sécurité au travail) ho an’ny orinasa « Logistique Pétrolière » (LPSA), izay anisan’ireo misehatra amin’ny fitehirizana sy fitaterana solika eto Madagasikara.
Tanjona ny fitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny fahafaham-pon’ny mpanjifa, ny fametrahana rafitra fihainoana sy fifanakalozan-kevitra maharitra hiarahana amin’ireo mpisehatra, ary ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fahasalamana sy ny fitsinjovana ireo mpiasa.
Tarigetran’ny Fanjakana Malagasy ny fampiroboroboana ny sehatry ny akoranafo eto Madagasikara, ny hiasan’ny mpisehatra amin’ny solika ao anatin’ny fampiharana sy fanajana ny fenitra iraisam-pirenena ary ny fifehezana ny fiovaovan’ny tsena iraisam-pirenena, mba ho zakan’ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy.
Tonga nanatrika ny lanona ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, sy ny Tale misahana ny Akoranafo, Atoa JINOT Razafifamonjy ary ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny OMH, Atoa RAVELOSON Cydolain.