Solika ho an’ny JIRAMA :
Ampiana 2.000 m³ isam-bolana
✅Ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra natao ny 24 Oktobra 2023 teny amin’ny Lapam-panjakana eny Mahazoarivo, ny fanaovan-tsonia ny fanampiana solika mavesatra na HFO 2.000 m³ isam-bolana ho an’ny orinasa JIRAMA.
▶️Ny Fanjakana Malagasy no hiantoka ny fividianana izany, ahafahana mamatsy solika 17.000 m3 ilaina isam-bolana hampiodina ireo milina.
🟢Antony roa no nahatonga ny fanaovana ny tovana amin’ny fifanarahana vita sonia ny 06 Aogositra 2023 :
– Ny fiakaran’ny vidin’ny famatsiana ny solika antsoina hoe HFO avy amin’ny fitombon’ny « platts » etsy andaniny,
– Etsy ankilany ihany koa ny fitombon’ny filàna HFO eo anivon’ny Orinasa JIRAMA amin’izao vanim-potoana maintany izao (Oktobra hatramin’ny Desambra) : raha 15.000 m³ izany amin’izao , dia lasa miampy 2.000 m³ ankehitriny ka lasa 17.000 m³.
❇️Ity fifanarahana ity dia nosoniavin’ny Fanjakana Malagasy (Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo) , ny orinasa JIRAMA ary ny orinasa JOVENA .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *