
Ankoatra ity fotodrafitr’asa ity dia anatin’ny vinan’asa fanarenana ny orinasa
#JIRAMA ihany koa ny fanitarana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Mandraka 6MW fanampiny, mandroso ihany koa ny asa fametrahana toby famokarana herinaratra manana tanjaka 105MW ao Ambohimanambola izay andrasana ho vitaina amin’ity taona ity. Manampy izany ireo tetik’asa fanatsarana ny tambazotra mpitsinjara herinaratra.