RIT
Hatsaraina miaraka amin’ny JICA
Tetikasa hiarahan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) amin’ny JICA ny hanatsarana ny tambazotra fizaràna herinaratra any Toamasina (Réseau Interconnecté de Toamasina) na RIT. Hita fa efa antitra avokoa ireo fitaovana ka tsy mahazaka intsony ny filan’ny mponina, izay miteraka fahatapahana matetika, ka mila fanavaozana tanteraka.
Nisy ny iraka notarihin’Andriamatoa Matsuda Hiroyuki, Talen’ny Departemantan’ny Fitantanana ny Fotodrafitrasa, ny Angovo ary ny Harena an-kibon’ny Tany avy any amin’ny Foiben’ny JICA – Tokyo, nandritra ny herinandro teto amintsika, mba hiresahana ny momba ireo singa ao anatin’ilay tetikasa.
Nisy androany 17 Mey 2024 ny fihaonana natao teto amin’ny MEH Ampandrianomby. Nitarika ny delegasiona avy amin’ny MEH ny Sekretera Jeneraly Atoa ANDRIANTSOA Thierry.
Dingana manaraka himasoana ny fifanarahana ofisialy eo amin’ny roa tonta. Antenaina fa hampiroborobo ny toekaren’ny Faritra Atsinanana sy ny filaminan’ny mponina ity tetikasa ity. Marihina fa mifanindran-dalana amin’ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ihany koa ny fanatsarana ny RIT.