AMBILOBE – FARITRA DIANA
Projet parc solaire 1MW
Tsy niandry fa tamin’ny faran’ny herinandro, taorian’ny namahana ny sakana sy olana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpandraharaha dia nitohy ny asa fananganana ny « projet parc solaire » 1MW ao Ambilobe – Faritra Diana.
Mandroso haingana ny tetikasa noho ny fisian’ireo fitaovana manara-penitra ampiasaina amin’ny fametrahana ny tsatoby ary tombanana ho vita ao anatin’ny iray volana raha ela indrindra.
Hatomboka tsy ho ela koa ny asa fametrahana « parc solaire » 1MW ao Marovoay – Faritra Boeny. Manao ny ezaka rehetra ny minisitera hamahana ireo sakatsakana sy hanafainganana ny fanombohana ny asa.
Sans attendre, en fin de semaine, après avoir débloqué les rouages et résolu les problèmes avec les partenaires, les travaux ont repris de plus belle à l’issue d’un commun accord.
Le projet progresse rapidement grâce notamment aux machines et matériaux de qualité dont disposent les équipes pour l’implantation des panneaux. Les travaux devraient être achevés en un mois.
Le Ministère mobilise également tous ses efforts pour résoudre toutes les difficultés liées à la réalisation du projet « parc solaire 1MW » dans la commune de Marovoay _ région Boeny et débuter très vite les travaux.
« Ndao hiasa, Ndao hiasa, Ndao hiasa haingana »