CENTRALE SOLAIRE AMBILOBE -Projet FINEXPO.
Na dia efa miroso amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasa hitondra angovo sy hazavana aza ny orinasa sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo dia tsy mipetra-potsiny ny fitondram-panjakana fa midina eny an-toerana ny tompon’andraikitra. Araka ny toromariky ny filohan’nhy Repoblika Andry RAJOELINA dia mila hafainganina ny asa satria sarobidy loatra ny « angovo ho an’ny rehetra ». Velirano faharoa.
Ny 18 mars 2023 dia njirey ny fizotry ny fananganana ny « centrale solaire » tao Ambilobe, faritra Diana, ny Minisitra Solo ANDRIAMANAMPISOA.
Hahatratra 1 MWc ny tanjak’ity « centrale solaire » ity. Miroso aingana ny fanorenana na dia vao 7 andro monja aza. Raha ny vinavina dia hiasa tanteraka ny faran’ny volana avril 2023 izao. Ny orinasa Henri Fraise no miantoka ny fananganana miaraka amin’ireo fitaovana avo lenta sy manaraka ny teknolojia.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *