
Tetikasa maro no voaresaka nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA. Ohatra ny PRIRTEM 1, PRIRTEM 2, Volobe, Sahofika, ary ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra. Ho an’ny PRIRTEM 1, dia tapaka fa ho tontosaina amin’ny volana Septambra izao ny fiantsoana fandefasana tolobidy (appel d’offre sur la construction de la ligne côtière Antsampanana-Toamasina).