Miankina amin’ny famokarana angovo azo havaozina, mora jifaina sy sitrahan’ireo mponina eny ifotony, ny fandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara
Manohana izany ny Vondrona eoropeana ka manampy ny fananganana ilay tohadrano famokarana herinaratra Volobe amont, ao amin’ny reniranon’i Ivondro, akaikin’ny tanànan’i Toamasina (faratra Atsinanana).
🎯 Tanjona ny hamokarana herinaratra madio, mamatsy sy mamaly ny filan’ireo tokantrano, ireo ivon-toerana ho an’ny daholobe ary ireo orinasa.
Ny 20 Febroary, nitsidika ny toerana hanombohana ny asa ao Volobe ny masoivohon’ny Vondrona eoropeana, Roland Kobia, sy ny masoivohon’ny Lafrantsa, Arnaud Guillois. Zava-dehibe amin’izy ity ny fiantraikany sy tombontsoan’ireo mponina voakasika amin’izany, ka nihaona tamin’ireo solontenan’ireo mponina, ny manampahefana ao antoerana, ny solontenan’ny sehatra tsy miankina ary ireo firaisamonimpirenena, ireo masoivoho.
⚙️ Hamatsy herinaratra ho an’ny mponina miisa 2 tapitrisa sy hampivoatra ny indostria eo an-toerana ny tohadrano ao Volobe. Hanosika ny famoronana asa maherin’ny 1,500, handray anjara amin’ny fanarenana ny làlana makao Volobe mirefy 26km sy ny fametrahana tetezana eo amin’ny renirano Ivondro sns.
Mifandray akaiky amin’ilay tetikasa PRIRTEM 1, tohanan’ny Vondrona eoropeana sy ny Banque européenne d’investissement mantsy izy ity, izay mikendry ny hampifandray an’i Toamasina amin’Antananarivo, ka hamatsy ny herinaratra ireo tanàna rehetra amin’iny lalàna. Tafiditra anatin’ny vina fampandrosoana ny angovo azo havaozina, iray amin’ny paikady #GlobalGateway ao amin’ny Vondrona eoropeana.
Raha te hahafantatra mikasika ireo tetikasa tohanan’ny Vondrona eoropeana mikasika ny angovo : https://ue-madagascar.org/t/31632

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *