Mitovy ny tanjona hiarahan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) sy ny Fitondrana eto Madagasikara, dia ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana Malagasy (PGE) ho fampandrosoana ny Firenena. Mitohy ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta momba ny fangatahana ny fitohizan’ny Fandaharanasa « Facilité Elargie de Crédit » (FEC) sy ny fahazoana ny « Facilité pour la Résilience et la Durabilité  » (FRD).
➡️10 andro no nanatontonsa iraka eto Madagasikara ireo solontena avy amin’ny FMI, nidinika amin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Nisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 3 Mey 2024 tao amin’ny MEF Antaninarenina, nitondran’izy ireo fanazavana. Hanao tatitra izy ireo any amin’ny Departemanta misahana ny fiaraha-miasa sy ny Filan-kevim-pitantanana any Etazonia, izay tompon’ny teny farany. Mitotaly 660 Tapitrisa Dolara ny FEC sy ny FRD ilain’i Madagasikara.
✳️ Andry efatra lehibe no iankinan’ ny FEC, anisany ny mifandraika amin’ny fahamarinan-toerana ara-bola, ny fampiroboroboana ny sosialy sy indostria , ary ny fahaiza-mitantana.
🔺️ Andry dimy lehibe kosa ny an’ny FRD izay natokana ho an’ireo Firenena misedra olana ara-tontolo iainana. Anisany ny fanamafisana ny fitantanana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro, ny fanatsarana ny fiatrehana ireo loza ara-boajanahary , ny fanenana ny fiparitahan’ny entona ratsy ho an’ny tontolo iainana na  » gaz à effet de serre  » ary ny fiarovana ny ala sy ny zava-boahary.
⭐️Nisolo tena ny mpikambana rehetra ao amin’ny Governemanta nandritra ny valan-dresaka nifanaovana tamin’ny mpanao gazety, ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF), Rtoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH) , Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier , ary ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy Atoa Max FONTAINE.
💡 Ho an’ny sehatry ny angovo sy ny akoranafo manokana, dia anisan’ny fanontaniana napetrak’ireo mpanao gazety ohatra, ny fiovaovan’ ny vidin’ny solika hifanantsahana amin’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena (mécanisme d’ajustement automatique des prix à la pompe). Nomarihin’Atoa MEH fa tsy tonga dia mihatra avy hatrany izany fa maro ireo pitsopitsony mila jeren’ny Fitondram-panjakana sy lamina apetraka mian-dalana, satria mavesatra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny famenoana vola (subventions) amin’ny vidin-tsolika.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *