Angovo: seha-pampandrosoana an’i Madagasikara
Mandroso hatrany ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) amin’ny Fandaharan’asan’ ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD).
Tonga nitsidika an’ Atoa MEH JEAN-BAPTISTE Olivier, teto Ampandrianomby androany 15 Febroary 2024, ny Delegasiona notarihin’ny Solontena maharitry ny PNUD eto Madagasikara, Rtoa Natasha VAN RIJN. ,
Nanamafy ny fiaraha-miasa hampandrosoana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara ny PNUD. Maro ireo tetikasa tohanany, ohatra ny lafiny angovo azo avaozina, sy ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo Ambanivohitra.