
PNBC Madagascar
Fanentanana ireo mpiara-miombon’antoka

Laharam-pahamehana ny fandraisana an-tanana ho fampiroboroboana ny fampiofanana ireo vehivavy 30 hatramin’ny 50 taona ao Tsiafajavona, Ambatolampy, ao anatin’ny Fandaharanasa » Programme National Barefoot College » (PNBC Madagascar). Fiofanana amin’ny fikirakirana, fanamboarana ary fametrahana ireo fitaovana manome jiro avy amin’ny herin’ny masoandro, ary fampianarana ihany koa amin’ny fizakan-tena ara-bola sy ny fivelomana.

Tontosa ny 7 Febroary 2025 , teto amin’ny » Le Louvre » Antaninarenina , ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, vonona handray anjara amin’ny fanatontosana ity tetikasa ity.

Ho an’ny taona 2025 dia ny andiany faha-8 sy faha-9 no hiatrika fiofanana ary hivoaka amin’ny fomba ofisialy mialoha ny faran’ny taona . Nitondra fanazavana mikasika ny tetikasa ny avy amin’ny komity mpitantana na « Comité de Pilotage » (COPIL) .

Tanjona ny fanentanana ireo mpiara-miombon’antoka vonona hisehatra ho fanohanana ny
#PNBC.

Hisy araka izany ny fiaraha-mientan’ny mpiara-miombon’antoka, sy ny COPIL ho fanatsarana sy fampandrosoana ny tetikasa fampiofanana ireo vehivavy voafantina avy amin’ny tontolo ambanivohitra.

Mpiara-miombon’antoka maro no tonga nanatrika ny fotoana , anisany ny QMM , PNUD , WCS , BCM , UNICEF , CRS , GIZ , …

Nisolo tena ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo nandritra ity fihaonana ity ny Sekretera Jeneraly , Atoa ANDRIANTSOA Thierry , ary ny Tale Jeneraly , Atoa RAMIANDRASOA Sambatra .