Angovo azo havaozina
Hanamafy ny fanohanana an’i Madagasikara ny SEforALL

Taorian’ny atrikasa izay notanterahina teny amin’ny Carlton Anosy mahakasika ny Drafitra entina manazary ny angovo na « Plan Energétique Intégré » (PEI), dia noraisin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH) sy ireo rantsamangaika (ORE, JIRAMA , ADER ) teto Ampandrianomby ny Delegasiona avy amin’ny SEforALL ny Alarobia 3 Jolay 2024.

Nisongadina nandritra ny fihaonana ny fametrahana paikady ho fampitomboana ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara. Izany dia mifanindran-dalana amin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) sy ny fanatrarana ny ODD7, angovo madio sy maharitra ary amin’ny vidiny takatry ny besinimaro.

Ho fanatanterahana izany dia natao ho laharam-pahamehana ireto manaraka ireto :


Hitohy ny fanohanana ara-teknika sy ny fampiasam-bola ho an’i Madagasikara hanatrarana ny tanjona ho fampisitrahana herinaratra ireo fotodrafitrasa fototra , anisany ny tobim-pahasalamana ary ireo sekoly any ambanivohitra,

Hitohy ny ezaka mifandraika amin’ny fanohanana ara-teknika momba ny drafitra sy ny fandrindrana ny angona (gestion de base de données) ho fanatanterahana sy hampaharitra ny tetikasa PEI eto Madagasikara,

Hatsaraina ny fanohanana ara-bola amin’ny alalan’ny famatsiana avy amin’ny « Universal Energy Facility » (UEF)

Himasoana ny fidirana amin’ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio, amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana mifandraika amin’izany ary ny fametrahana tetikasa mazava ho fampiroboroboana ny asa eny anivon’ ireo mpisehatra isan-tsokajiny .

Hisy ny fananganana ny »Plan National d’Activation du Marché du Carbone » (CMAP) miaraka amin’ny tanjona fametrahana ny » Initiative pour le Marche de Carbone en Afrique » (ACMI) .