Fandaharan’asa PERER ( Promotion de l’Electrification Rurale par les Energies Renouvelables) izay iarahan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo sy ny GIZ.
Mifameno ny asan’ireo Minisitera ho fanatanterahana ireo Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika. Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, manana ny anjara andraikitra ihany koa ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo amin’ny fampisitrahana herinaratra ireo hopitaly.
Antony nanoloran’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Solo ANDRIAMANAMPISOA, fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro manana tanjaka 45 KWc izay fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny GIZ teto amin’ny CHU ANDRAINJATO Fianarantsoa, ny zoma 7 aprily 2023.
Zava-dehibe ny ahazoan’ny hopitaly ireto angovo avy amin’ny masoandro ireto mba tsy ho tapaka ny herinaratra manoloana ny fampiasana ireo fitaovam-pitsaboana maika sy ny fampiasana ireo fitaovana matanjaka toy ny « scanner ».
Tsy eto Fianarantsoa ihany fa nisitraka ity fandaharan’asa ity ihany koa ny CHU MITSINJO Betanimena tao Toliara, hitsinjovana ny fahasalaman’ny vahoaka.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *