Paikady SCE
Laharam-pahamehana ny angovo azo havaozina
✅ Tontosa androany 20 Janoary 2025 teto amin’ny Hôtel Moringa Toliara, ny fanaovan-tsonia ny fanombohan’ny Paikady « Stratégie Conjointe Européenne 2022-2027 pour Madagascar » na #SCE amin’ny alalan’ny « Initiatives Equipe Europe » (#IEE).
✳️ Mitentina 1 miliara € (5.000 miliara Ar) hatreto no famatsiam-bola ho tsinjaraina amin’ireo sehatr’asa 3 lehibe : ny Tanora, ny Tontolo maitso ary ny angovo azo havaozina. Nanao sonia ny fifanarahana, ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara, Atoa Roland KOBIA, ny Masoivohon’i Frantsa eo amintsika, Atoa Arnaud GUILLOIS ary ny Masoivohon’i Alemana, Atoa Oliver KNOERICH. Ny SCE dia anisan’ny mandrafitra Paikady iombonan’ny Vondrona Eoropeanina (#UE) ao anatin’ny « Global Gateway ».
🟩 Anisan’ireo singa lehibe 3 an’ny IEE, ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina sy maharitra. Tanjona iraisana ny fampivoarana ny lafiny ara-toekarena eto Madagasikara. Ho fanatrarana izany, dia laharam-pahamehana ny fampitomboana ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra, indrindra ny tontolo ambanivohitra.
💡Anisan’ny fanoitra lehibe ho amin’izany ohatra, ny Tetikasa « Angovo », izay mikendry ny hanome herinaratra ho an’ny tokantrano 35.000, izany hoe mponina 175.000 aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, Melaky ary Menabe. Izany da hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina (#UE), sy ny « Agence Française de Développement » (#AFD), ny #GIZ, ary ny Sampandraharaha nasionaly misahana ny fampiroboroboana ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra (#ADER).
🌞 Ao anaty fanatanterahana ny Tetikasa Angovo, dia hisy rahampitso ny fitsidihana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, ao Mangily, izay sahanin’ny orinasa « #ANKA ». Aorian’ny fitsidihana dia hisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny ADER sy ny ANKA, izay hahafahana manolotra ho an’ity farany, ny fitantanana ny fanampiana mitentina 7,4 tapitrisa € avy amin’ny UE sy ny AFD.
🤝🏼 Ny hetsika androany sy rahampitso eto Toliara, dia fanamafisana ny fiaraha-mientan’ny rehetra : ny Fanjakana Malagasy, ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka ary ny sehatra tsy miankina, ho fanatrarana miaraka ny tanjona hampitombo avo 2 heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara amin’ny taona 2030, araka ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (#PGE).
✴️ Nitarika ny lanonana, ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (#MEF), Rtoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo. Nisolo tena ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) ny Sekretera Jeneraly, Atoa ANDRIANTSOA Ny Solofo Thierry. Nanotrona ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana ny Dr TOVONDRAINY Ranoëlson Edally

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *