Angovo azo havaozina
▶️ Miroso amin’ny fanatanterahana ny « Pacte Energétique » i Madagasikara
✳️ Taorian’ny fihaonambe #M300 tany Dar Es Salaam, Tanzanie ny 27 sy 28 Janoary lasa teo, izay nanaovan-tsonia ny fifanarahana amin’ny angovo, na « Pacte National Energétique » ho an’i Madagasikara, dia, nifamotoana teto amin’ny Hôtel Carlton Anosy androany voalohan’ny volana Aprily 2025, ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka, ny sehatra tsy miankina ary ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny Angovo.
✅️ Nanatanteraka fivoriana handrindrana (réunion de coordination) ireo dingana manaraka rehetra ho fanatanterahana ny « Pacte National Energetique » ho an’i Madagasikara.
✴️ Tanjona lehibe apetraky ny Fitondram-panjakana Malagasy no hotratrarina, dia ny fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra amin’ny taona 2030, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo havaozina.
✴️ Miara-dia tanteraka amin’ny Politika iraisam-pirenena amin’ny lafiny angovo izany, dia ny hanomezana ho an’ny rehetra, angovo maharitra, madio, maoderina, sy amin’ny vidiny takatry ny besinimaro, araka ny tanjon’ny #ODD7.
🤝 Naneho ny fahavononany ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny hanohanany ara-bola ny finiavana ny hampiroborobo ny angovo azo havaozina eto Madagasikara.
➡️ Porofon’izany ny fanehoana fanohanana ny Fandaharanasa #M300 : anisany ny « Agence Française de Développement » (#AFD), ny Vondron’ny Banky Iraisam-pirenena (#GroupedelaBanqueMondiale) sy ny Vondron’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (#GroupedelaBanqueAfricainedeDéveloppement) ary ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ny #SEforALL, ny #FMI, ny Vondrona Eoropeanina (#UE), ho fanatontosana ireo tetikasa maro amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Afrika.
🇲🇬 Ho an’i Madagasikara manokana, dia hitsinjara toy izao ny famatsiam-bola ireo tetikasa: 10% avy amin’ny Fitondram-panjakana, 30% avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ary 60% avy amin’ny sehatra tsy miankina, izay nanana solontena nandray anjara tamin’ny atrikasa androany, ohatra ny avy amin’ny #MAREA sy ny #MCCI.
*️⃣ Nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, sy ny Solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena miasa sy monina eto Madagasikara, ary ny Solontenan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *