3 MW ao Ambatomirahavavy
⚒️Hanomboka ny 27 Janoary 2025 ny asa fananganana
🇲🇬 Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Alarobia 22 janoary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, izay notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.
✅ Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanombohana ny asa fanamboarana ny toby mpamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ao Ambatomirahavavy sy ny fandaminana ny lafiny fananan-tany ho an’ireo tany hanangana toby mpamokatra herinaratra ao Andoharanofotsy, Ampangabe ary Ilafy . Ny toby ao Ambatomirahavavy izay hanana tanjaka 3MW miaraka amin’ny vatoaratra (batterie de stockage) no ho fitaratra (site pilote) amin’ny Tetikasa #50MW.
🤝🏼 Ny asa fananganana izany toby izany dia ho tanterahin’ny JIRAMA, miaraka amin’ny fanohanan’ny ekipan’ny orinasa HUAWEI.
✴️ Efa voajary ny tany hametrahana izany tobim-pamokarana izany ary vita hatramin’ny 80% ny asa hametrahana ny ‘‘ ligne de raccordement  ». Amin’ny 27 Janoary 2025 ho avy izao no hanombohan’ny asa fananganana izany tobim-pamokarana izany.
❇️ Efa andalam-pamaranana kosa ny lafiny fandaminana ny fananan-tany ho an’ireo tobim-pamokarana apetraka ao Andoharanofotsy, Ampangabe ary Ilafy ka hiroso tsy ho ela ny fanajariana ireo tany sy ny fananganana ireo fotodrafitrasa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *