Hazavana ho an’ny daholobe
Notolorana jiro ny Boriborintany I
✅️Jiro « Cobra », miisa 30 no natolotra avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), androany 04 Martsa 2025 teto Andohatapenaka. Nandray izany ny, Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, ny Solombavambahoaka voafidy eto amin’ny Boriborintany I, Atoa ANDRIAMANANORO Augustin. Ho fenoina 100 isa ireo jiro mialoha ny 26 Jona 2025. Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny MEH, ny Talen’ny Kabinetra, Atoa RANDRIANAINA Odon Marius.
❇️ Fandraisana anjara lehibe amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny fahatongavan’ireto jiro ireto, izay hoentina hanazavana ny lalambe sy ireo elakelantrano.
➡️Izao dia tafiditra anatin’ny ezaka fampisitrahana herinaratra ny Distrika rehetra manerana ny Nosy, sy ho fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.
🤝 Taorian’ny fanolorana ny jiro dia nanatentaraka fitsidihana ireo traboina teto amin’ny Boriborintany I, noho ny fandalovan’ny andro ratsy ny Delegasiona.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *