Hazavana ho an’ny daholobe

Notolorana jiro Mahajanga

Anjaran’ny teto Mahajanga indray no notolorana Jiro « Cobra » avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH), androany 7 Marsa 2025. Nandray izany ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambonivohitra Mahajanga, Atoa HERINIAINA Tia Solofomanga, natrehin’Atoa Solombavambahoaka voafidy teto Marovoay, ary ireo manam-pahefana eto Mahajanga. Nitarika ny Delegasiona ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier.

Tanjona ny fanatsarana ny endriky ny tanàna, sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, amin’ny alalan’ny fanazavana ny lalambe sy ny elakelantrano. Asa tafiditra ao anaty fanatrarana ny tanjona ho fampitomboana avo roa heny, ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto MAdagasikara hatramin’ny taona 2030.

Taorian’ny fanolorana ny jiro dia nisy ny fihaonanan’Atoa Minisitra tamin’ireo manam-pahefana teto Mahajanga.

Voaresaka nandritra izany ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana nasionaly momba ny angovo, ny fanavaozana sy tetikasa eo amin’ny sehatry ny angovo, ary ny tombony eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Mahajanga.

Voalaza fa i Mahajanga dia manana tombony amin’ny rivotra ka afaka ananganana tobim-pamokarana avy amin’ny rivotra mitovy ny efa natao tao Tolagnaro. Azo trandrahina noho izany ny fanamafisana ny famokarana angovo azo havaozina eto Mahajanga.