Nosy Be
✅Ho raisin’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo takela-masoandro (panneaux photovoltaïques) ametrahana ireo💡jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny Kaominina Andrenivohitra Nosy Be.
✅Ny Fikambanana Frantsay « Electricité sans frontière » izay any Provence- Alpes – Côte d’Azur no manolotra izany ho an’ny Fokontany Anjiabe , Antamotamo ary Ampangorina ao Nosy Komba .
⭐Io no tapaka ho an’ny sehatry ny Angovo, nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra, izay notontosaina ny Talata 12 Desambra 2023 teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *