Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Alarobia 8 Janoary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Atoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, ary natrehin’Atoa Praiminisitra Ntsay CHRISTIAN, Lehiben’ny Governemanta sy ireo Minisitra isan-tokony.
💡Ho an’ny sehatry ny Angovo :
✅ Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo tetikasa  »parcs solaires ».
🌞 Tetikasa Parcs Solaires 50 MW : Araka ny toromarika efa nomen’ny Filohan’ny Repoblika dia ho tsinjaraina 5MW avy ireo renivohi-paritany ary ny 20 MW dia apetraka ho an’ny tambazotra Iraisan’Antananarivo izay ho tsinjaraina amina toerana telo no hametrahana ireo tobim-pamokarana: eny Ambatomirahavavy (3MW), Ampangabe (10 MW), sy Ambohidrano Ilafy ( 7 MW).
👉🏽 Efa tonga eto Antananarivo avokoa ireo singa hananganana ireo tobim-pamokarana ireo ary vinavinaina ho vita amin’ny volana Avrily 2025 ny fananganana izany.
🌞 Tetikasa Parc Solaire 50 MW eny amin’ny Lac Iarivo / PK-O Lalam-be migodana :
Efa vita avokoa ny fanadihadiana ara-teknika momba ny fametrahana ity tobim-pamokarana herinaratra ity ary miroso ny famolavolana ny tolotra hananganana izany.
❇️ Vinavinaina ho vita amin’ny telovolana fahatelo ny taona 2025 izany tobim-pamokarana izany, sy ny fampidirana azy amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo. Ho fanamafisana ny tambazotra iraisan’Antananarivo ihany dia misy tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro 50 MW fanampiny hatsangana izay ho tsinjaraina ao Ampitatafika Ihazolava (20 MW), Imerintsiatosika (20MW) ary Ibity (10 MW).
🌞 150 MW kosa no ho tsinjaraina manerana ireo Faritra rehetra ary efa vita avokoa ny fanadihadiana amin’ny fitsinjarana izany.
➡️ Ho fanamafisana ny famokarana herinaratra dia apetraka eo Ambohimanambola ihany koa ny famokarana herinaratra HFO manan tanjaka 105 MW izay ho tantanan’ny JIRAMA. Tanjona napetraka ny hampandehanana ity tobim-pamokarana ity amin’ny volana Jona 2025.
✅ Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra natao omaly ihany koa ny fampitana am-bava ny momba ny vidin’ny solika fandrehitra.
⛽ Nanomboka ny volana Jolay 2021 dia notazomina 2.130 ariary ny vidin’ny solika fandrehitra izay ambany manoloana ny tena vidiny na  » vérité des prix ». Izany dia ho fitsinjovana ny vahoaka izay mampiasa izany.
▶️ Ny Fanjakana Malagasy araka izany no mandoa ny  »subventions » izay mahatratra hatramin’ny 95 miliara ariary amin’ireo orinasa mpamokatra solika. Tsy maintsy hirosoana araka izany ny fampiakarana miandalana ny vidin’ny solika fandrehitra hampihenana ny  »subventions » aloan’ny Fitondram-panjakana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *