Angovo azo havaozina
Fiofanana ho an’ny mpianatry ny LTP Antananarivo sy Toliara
Fandaharam-pianarana manokana sy fiofanana amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina, no hatolotra ho an’ireo mpianatry ny LTP Antananarivo, sy ny LTP Toliara. Tanjona ny hananantsika teknisianina matihanina amin’ny fikirakirana ireo fitaovana mandeha sy mampiasa ny herin’ny masoandro (Système solaire photovoltaïque). ️ Teknisianina miisa hatramin’ny 500 no ilaina, ary mialoha ny fiafaran’ity taona 2024 ity no hanomboka ny andiany voalohany amin’ny fiofanana.
Tontosa androany 11 Jona 2024 teto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP) Ampefiloha, ny fanaovan-tsonia sy fanolorana ofisialy ny lasi-panofanana (référentiels de formation). Tetikasa hiarahana amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ary tohanan’ny Tetikasa GIZ PERER. Nisolo tena ny MEH ny Sekretera Jeneraly, Atoa ANDRIANTSOA Thierry.
Tanjona iraisana ny fanatsarana sy fampitomboana ny famokarana herinaratra, indrindra ny tahan’ny vahoaka misitraka ho fampandrosoana an’i Madagasikara.