Angovo azo havaozina
Mpianatra 9 miofana ao amin’ny LTP Toliara
➡️ Mandroso manaraka ny teknolojia ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara.
✴️ Porofo hita maso sy azo tsapain-tanana amin’izany ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny efitrano sy ny fanolorana ireo fitaovana hanaovana fampiharana amin’ny sampam-panofanana  » Énergies Solaires Photovoltaïques  » teto amin’ny LTP Toliara , androany 8 Novambra 2024. Mpianatra miisa 9 no mandrafitra ny andiany voalohany hanaraka ny fiofanana mandritra ny 8 volana. Ho lasa teknisianina izy ireo aorian’izany.
✳️ Manan-danja eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ity tetikasa vaovao ity noho izy voalohany indrindra misy eto Madagasikara sy eto amin’ny Faritra « Afrique Subsaharienne ».
#️🟩 Izao no tontosoa dia noho ny fiaraha-miasa eo aminy GIZ PERER, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) , ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa (METFP) ary ny LTP Toliara.
✅️ Nisolo tena an’Atoa Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo nandritra ny fitokanana ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Toliara, Atoa MILLY Martial. Nitarika ny lanonam-pitokanana ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa Rtoa RASOLOARISOA Marie Marcelline.
▶️Hamaly ny filan’ireo orinasa miantsehatra amin’ny angovo azo havaozina ny fivoahan’ireo tanora avy amin’ity sampam-piofanana ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *