Hazavana ho an’ny daholobe

Fanolorana jiro teto Moramanga

Notolorana jiro « Cobra », avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH) ny eto Moramanga androany 28 Febroary 2025. Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, JEAN -BAPTISTE Olivier, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin. Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny MEH, ny Talen’ny Kabinetra, Andriamatoa RANDRIANAINA Odon Marius. Nandray izany ny Ben’ny Tanàna voafidy eto Moramanga.

Izao dia tafiditra anatin’ny ezaka fampisitrahana herinaratra ny Distrika rehetra manerana ny Nosy, ho fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny, ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.

Tetikasa miompana amin’ny fanazavana ny elakelantrano sy ny lalambe, sady fandraisan’anjara goavana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.

Ity hetsika fanolorana jiro ity, dia nifanindran-dalana tamin’ny lanonana fametrahana samboady ireo Ben’ny Tanàna voafidy eto amin’ny Faritra Mangoro.