Orinasa sy ny angovo azo avaozina
Modely ny SOMACOU
Ny soa fianatra. Tontosa androany 15 Marsa 2024, ny fitokanana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eto amin’ny orinasa SOMACOU Ankadikely. Mirefy 1.800 m2 ny taleka-masoandro (panneaux photovoltaïques) napetaka ambonin’ny tafo, izay manana tanjaka 450 KWc, izany hoe mahasehaka 40 % amin’ny filan’ity orinasa ity amin’ny herinaratra. Tanjon’izy ireo ny hanitatra hatramin’ny 1 MWc.
Nandritra ny lahateniny, dia nidera ny ezaka ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier.
« Mendri-piderana ny safidy ampiasa angovo madio tahaka izao, ho fitsinjovana ny tontolo iainana sy ny taranaka. Ananantsika rahateo ny akora. Ny Fitondram-panjakana Malagasy dia mamporisika ny ezaka toy izao. Entanina ireo orinasa hafa hanara-dia ny SOMACOU, izay azo lazaina fa modely androany, satria orinasa efa mihoatra ny 50 taona nefa mbola miroso hatrany amin’ny fanavaozana sy fanatsarana mandrakariva » hoy Atoa MEH.
Nomarihin’Atoa Minisitra JEAN-BAPTISTE Olivier, fa ny firosoana amin’ny fampiasana angovo azo avaozina, dia mifototra amin’ireo andry telo iankinan’ny Politika Ankabopen’ny Fanjakana (PGE), dia ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny toe-karena, ary ny fahaiza-mitantana.