![✅️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t33/1/16/2705.png)
Tontosa teto Sambava ny fivoriana nandaminana ny famerenana amin’ny laoniny, ny famatsiana solika ao amin’ny Faritra SAVA taorian’ny fandalovan’ny rivodoza « Gamane » . Voafaritra ny tetiandro sy rindran-damina izay niarahan’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH), ny Ofisy Malagasy misahana ny Akoranafo na OMH, ny avy amin’ny Birao Nasionaly misahana ny Ambana sy ny Loza Ara-boajanahary na BNGRC, ny Vondron’ny mpandraharaha amin’ny solika na GPM, ny LPSA ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny eto an-toerana.