Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Alarobia 15 Janoary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta sy ireo Minisitra isan-tokony.
💡 Ho an’ny sehatry ny Angovo :
✅ nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena Afrikanina momba ny Angovo ny 27 sy 28 Janoary 2025 any Dar-Es-Salam, Tanzanie. Ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana no mikarakara ity fihaonana lehibe ity, izay mikendry ny fampivoarana ny  » Mission 300″ ho fanomezana herinaratra ho an’olona 300 tapitrisa aty Afrika hatramin’ny taona 2030. Hivondronan’ireo Filoham-pirenena, ireo Minisitra, ny fikambanana iraisam-pirenena, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ireo fanavaozana sy ireo fifanarahana ity hetsika ity, anisan’izany ny  » pacte Africain pour l’Energie  » sy ireo fifanarahana momba ny angovo nasionaly. I Madagasikara izay Firenena  » Pilote », dia afaka manao sonia fifanarahana hampandrosoana ny fanavaozana ny angovo sy hanetsehana ireo famatsiam-bola ilaina amin’ny tanjon’ny Firenena Malagasy.
https://www.facebook.com/share/p/18zN3WskL6/
📸 Sary tahiry, nandritra ny Atrikasa M300/Desambra 2024

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *