Fifanarahana nasionaly amin’ny Angovo eto Madagasikara (Pacte National Energétique de Madagascar)
Hatao sonia any Tanzanie
✳️ Dingana iray lehibe amin’ny fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030, ny fandraisantsika anjara amin’ny fihaonana an-tampony momba ny angovo ataon’ireo Filoham-pirenena Afrikanina miisa 32, izay atao ny 27 Janoary sy anio 28 Janoary 2025 any Dar Es Salaam, Tanzanie.
🟩 Lohahevitra ny « fanomezana angovo madio sy maharitra ary amin’ny vidiny takatry ny besinimaro eto Afrika » (Alimenter l’Afrique pour une énergie fiable, abordable, inclusive, durable et propre pour tous). Tarigetra ny fandrindrana ny ‘ »#Mission300« , izay mikendry ny fanomezana herinaratra ho an’olona 300 tapitrisa aty Afrika hatramin’ny taona 2030. Anisan’ireo Firenena 12 voalohany manana ny « Pacte National Energetique » hanatrarana izany tanjona izany i Madagasikara.
🇲🇬 Ho an’i Madagasikara manokana, izay mikendry ny hampitombo ny tahan’ny fisitrahana herinaratra hatramin’ny 80% hatramin’ny 2030, raha toa ka 36 % izany ankehitriny, ka mizara telo ny famatsiam-bola ireo tetikasa : 60 % avy amin’ny sehatra tsy miankina , ny 10 % avy amin’ny Fanjakana Malagasy, ny 30% avy amin’ny Findramam-bola ataon’ny Fanjakana.
▶️ Lohahevitra telo no nodinihana omaly tany Tanzanie :
👉🏽Fitondrana avo ny fandaharam-potoan’ny Angovon’i Afrika amin’ny ambaratonga ambony
👉🏽Politika sy fanavaozana hanovana ny Angovo eto Afrika
👉🏽Ireo anjara asan’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena amin’ny fanafainganana ny fiovan’ny angovo.
✴️ Mitarika ny Delegasiona Malagasy any an-toerana ny Filohan’ny Repoblika Atoa Andry RAJOELINA. Solontenan’ny Governemanta manotrona azy, ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (#MEF), Rtoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo miaraka amin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier. Mandray anjara mavitrika ihany koa ireo mpamatsy vola sy Fikambanana iraisam-pirenena, ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ary ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. ✍️ Hatao sonia anio arak’izany ny fifanarahana nasionaly amin’ny angovo eto Madagasikara (Pacte National Energétique de Madagascar).
🤝 Taratra sahady amin’ny firoboroboan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (#3P). Manohana ity hetsika « Mission 300 » ity moa ny Banky Iraisam-pirenena (#BM) sy ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (#BAD).

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *