Angovo azo havaozina
Miroso ny fanovana eto Madagasikara
✅️ Mitohy ny firosoana amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Mifanome tanana ny Fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ny sehatra tsy miankina, hanatrarana ny tanjona iraisana. Nisy ny fihaonana tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny angovo madio, androany 25 Avrily 2024, tao amin’ny Novotel Alarobia nandritra ny  » RENPOWER MADAGASCAR 2024 « .
🟧 Iray feo ny rehetra. Himasoana ny fametrahana vahaolana maharitra ho an’ny angovo eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fampihenana ny vidin’ny famokarana herinaratra, mba hisitrahan’ny daholobe ny hazavana, miray dia amin’izay ny fisorohana ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny ateraky ny fiovaovan’ny toetry ny andro.
🔆 Noho izany dia miantso ireo sehatra miankina sy tsy miankina, ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier , hifanome tanana ho fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *