
Tsiahivina fa ny Tetikasa 50 MW, dia miompana amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro

(Parc solaire) manerana Distrika miisa 47. Tanjona amin’izao ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo avaozina, sy ny hampiakarana ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra amin’ireo Distrika ireo. Eo koa ny hanenana ny fandaniana amin’ny fividianana gazoala, no sady hikajiana ny tontolo iainana. Marihana fa famatsiam-bola avy amin’ny Fanjakana Malagasy

no hanatontosana ny Tetikasa.