MEH : hanohy ny ezaka sy hamita ny asa

Tontosa tamim-pirahalahiana androany 16 Janoary 2024 teto amin’ny Amphithéâtre Ampandrianomby ny famindram-pitantanana sy fifampitsofan-drano teo amin’ny Minisitry ny Angovo Akoranafo (MEH) teo aloha, Andriamatoa Soloniaina ANDRIAMANAMPISOA, sy ny MEH vaovao,
Andriamatoa Olivier JEAN-BAPTISTE. Tonga nanotrona ny vahiny manan-kaja sy tompon’andraikitra maro, ary ireo solontenan’ny rantsa-mangaika isan-tsokajiny, dia ny JIRAMA, ny OMH, ny ADER ary ny ORE.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa MEH teo aloha, no nanaovany jery todika nandritra ny 11 volana nitantanany, ireo asa vita sy ireo izay an-dalam-panatontosana. Ohatra :

Ny Tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro (Parc solaire na PS) manerana Distrika miisa 78 (46 Famatsiam-bola Fanjakana Malagasy ary 32 hiarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena)

Ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra 105 MW ao Ambohimanambola izay efa tonga ao Toamasina ankehitriny ireo « blocs moteurs »

Ny Tetikasa PRIRTEM 1 izay hampitohy an’i Toamasina amin’Antananarivo, mirefy 267 km hitondra herinaratra mahery vaika 220 KV

Ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo Ambanivohitra

Ny fampidirana herinaratra amin’ny CSB miisa 400

Ny fizaràna 800.000 « Kits Solaires » manerana ny Nosy (200.000 isaky ny 3 volana no ho avy)

Ny Tetikasa « Branchement Mora » 25.000 kaontera no efa tonga tamin’ny 2023, 45.000 kaontera isaky ny 3 volana no ho avy amin’ity taona ity, mitotaly 200.000

Ireo didim-panjakana momba ny CODELEC, ny ARELEC ary ny ADER

Nanambara ny MEH vaovao,
Andriamatoa Olivier JEAN-BAPTISTE, fa hanampy an’ireo ny Tetikasa GPL (miompana amin’ny fanokafana sy fanamorana ny sehatry ny entona fandrehitra).

Vonona izy hanohy ny ezaka sy hamita ny asa. Hanamafy ny hafainganam-pandeha, koa miandrandra fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny tenany, hoy izy, hanatontosa ny tanjona izay napetraky ny Fitondram-panjakana : « Madagasikara tsy maintsy mandroso ».

Ny tombontsoan’ny vahoaka no laharam-pahamehana, noho izany, asa mivaingana, hita maso sy azo tsapain-tanana no mila mipaka hatrany ifotony. hoy Andriamatoa MEH.

Tsy adinon’ireo Minisitra mirahalahy moa ny nisaotra an’Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, sy Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta.