Noraisin’ny Minisitry ny angovo sy ny akoranafo, Andry Ramaroson, teto amin’ny toeram-piasany teto Ampandrianomby – Antananarivo anio alatsinainy 28 novambra 2022 ny delagasiona avy amin’ny Union Européenne izay notarihan’ny Ambasadaorony Ramatoa Isabelle Delattre Burger.
Nodinihina tamin’izany ny fivoaran’ny tetikasa nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Union Europeene. Teo ihany koa ny momba ny orinasa Jirama.
Isan’ny mamatsy ny tetikasa PRIRTEM koa ny Union Europeenne ary vonona hiroso amin’ny tetikasa famatsiana herinaratra eny ambanivohitra, « électrification_rurale ».
Nanambara ireto delegasiona ireto fa isan’ny sehatra tena mahaliana azy ireo ny angovo ary vonona izy ireo hifanome tanana amin’ny Fanjakana Malagasy.
Mila fandrindrana matotra sy mitaky fanaraha-maso akaiky nefa izany rehetra izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *