Famatsiana Herinaratra:
Marisika amin’ny tetikasa « Branchement Mora » ny eto Toamasina
#️⃣“Jiro mora, malaky”. Mandroso ny asa fampisitrahana herinaratra ho an’ireo mpanjifa vaovao. Marisika amin’ny tetikasa “Branchement Mora” ny ao Toamasina. Nijery ny fizotran’ny asa fametrahana ny kaontera ho an’ireo misitraka ny tetikasa ny delegasiona notarihin’ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoran’afo (DIEH) Toamasina, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny JIRAMA Atsinanana ary ny Lehiben’ny Fokontany tsirairay avy ny faran’ny herinandro teo,.
✅ Tokantrano miisa 814 no efa nahaloa ny vola famandrihana toerana, amin’ireo 1.624 fisoratana anarana voaray hatreto ho an’i Toamasina. Ho an’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo mitambatra, dia mitotaly 2.672 hatreto ny fisoratana anarana voaray, ary 941 no efa nandoa vola.
➡️ Mitohy hatrany ny fisoratana anarana eny anivon’ny Fokontany sy any amin’ny Masoivohon’ny JIRAMA ho an’izay ireo te hisitraka ny tetikasa « Branchement Mora », izay fanatanterahana ny Velirano faha-2 an’Atoa Filoham-pirenena Malagasy : « Angovo ho an’ny daholobe ».
▶️ Araka ny voalazan’ireo mponina, dia zava-dehibe sy mitondra fampandrosoana ho an’ny tokantrano ny fahatongavan’ny herinaratra amin’ny alalan’ny « Branchement Mora ». Tsiahivina fa 30.000 Ariary no sarany aloa hahazoana ny fampidiran-jiro, ary mividy fahana araka ny filàny ny mpanjifa. Herinaratra ahafahana mandefa jiro 2, fahitalavitra, vata fandrenesam-peo (radio) ary koa ahafahana mamahana finday. Afa-po sy nankasitraka ireo mponina eny ifotony amin’ny tetikasa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *