Hazavana ho an’ny daholobe
🇲🇬 Ao anaty fankalazana ny faha-61 taonan’ny Sekolim-pirenena manofana ho Manamboninahitra Lefitra an’ny Tafika (ENSOA) Antsirabe, dia nolotoran’ny Komandà an’ny Sekoly, ny Kolonely RAZAFITOMBO Leva Naina, mari-pankasitrahana ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo Atoa Olivier JEAN-BAPTISTE sy ny Talen’ny Kabinetra Atoa Odon Marius RANDRIANAINA ary ny Talem-paritry ny JIRAMA Vakinakaratra.
✳️Anisany nanampy betsaka tamin’ny fanatontosana ny andraikitra rehetra eo anivon’ny ENSOA ny fampisitrahana hazavana (fametahana jiro Cobra miisa 20) izay notontosain’ny Ministera.
🤝🏼Ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo dia miarahaba azy ireo sy mankahery ary manohana hatrany amin’ny adidy masina sahaniny ho an’ny Firenena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *